Aza sasatra mivavaka isika. Nampianatra ny amin'ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy am-paharetana i Jesoa. Tokony hivavaka isika satria mila an'Andriamanitra. Zava-doza ny mihevitra hoe mahavita tena samirery. Tsy manala antsika tsy ho zohim-pahoriana eo amin'ny fiainana ny finoana fa manampy antsika hiombona amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Manentana an'ireo fanantenana eto an-tany izay miandrandra ilay "fanantenana lehibe" dia ny fiainana mandrakizay ny fitsanganan'i Kristy ho velona ary mampiditra sahady ao amin'ny ankehitriny ny tsimoky ny famonjena. Manoloana ireo fahadisoam-panantenana vokatry ny karazana nofinofy maro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Manandratra sy mampivelatra ny fomba fijerintsika ny Tenin'Andriamanitra izay milaza amintsika fa ny vokatra tena izy dia ny vokatra any am-parany, ilay andro farany, andro tsy misy filentehan'ny masoandro intsony. Ny vokatra azo amin'ny fiainantsika sy ny asantsika dia ny " vokatry ny fiainana mandrakizay" (Jo 4,36). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Ny zava-misy dia tsy hioty afa-tsy ampahany kely amin'ny vokatr'izay hafafintsika isika, araka ny ohabolana ao amin'ny Evanjely hoe : "hafa ny mamafy, hafa no mijinja" (Jo 4, 37). Fa eo am-pamafazana ny soa ho an'ny hafa no handraisantsika anjara amin'ny halemem-panahin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco