Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Mba hananana ny faharetana eo am-panarahan-dia an'i Kristy dia Izy miantso no tsy maintsy atao ivon'ny fiainana sy ivon'ny fijery. Raha vao tsy izay dia lasa manaraka olona hafa isika, lasa mampanjaka firehan-kevitra. Mampihendanja ny faharetana ny fijery ankoatra an'i Kristy. Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.
Amin'izao fotoana izao dia miaina ao anaty kolontsaina mifangaro isika, ka miezaka mitady zava-baovao sy mahaliana ny olona. Tsy ampy intsony ny fifanentanan'ny iray finoana. Maro ny olona roboka amin'ny zavatra hafa ka manadino ny antso fototra. Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.
Ny finoana no antoky ny faharetana. Manoloana ny fanenjehana hatramin'ny fanamelohana ny mpianatr'i Kristy dia ambarany fa : "izay maharitra hatramin'ny farany no voavonjy" (Mt 11, 22). Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco