Ny rariny dia soatoavina tsy misaraka amin'ny fanatanterahana an'ilay hatsaram-panahy fototra ara-môraly mifanandrify aminy. Araka ny fomba mahazatra indrindra ilazana azy, ny rariny dia tsy inona fa ny finiavana, mitozo ary matotra, an'Andriamanitra sy ny namana ny zavatra tokony homena azy ireo. Raha tombanana avy ao anaty, ny rariny dia taratra amin'ny fihetsika baikon'ny finiavana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Voahaja ny hasin'ny fahafahana, izay maneho fa tokana aman-tany ny isam-batan'olona, rehefa avela hanatanteraka ny antso niantsoana azy manokana ny tsirairay ao amin'ny fiaraha-monina ; rahefa avela hikaroka ny fahamarinana izy ary hanambara am-pahibemaso ny hevitra ijoroany ara-pivavahana, ara-kolontsaina ary ara-politika ; rahefa tsy tampenam-bava. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ao amin'ny olombelona, ny fahafahana dia famantarana ambony dia ambony an'ilay endrik'Andriamanitra. Noho izany, famantarana ihany koa ilay fahamendrehana tsy anoharana ananan'ny olona tsirairay. Ampiasana ny fahafahana eo amin'ny fifandraisan'ny samy olombelona, manana zo voanjanahary ho raisina ho olona afaka ny tsirairay. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Manana adidy manokana ny olombelona hiezaka tsy tapaka hanakatra ny fahamarinana, ka hanaja azy ary haneho azy ao anatin'ny fandraisana andraikitra. Misy lanjany manokana mihitsy, eo amin'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ny miaina ao anatin'ny fahamarinana : mirindra ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco