Ny Eglizy katôlika dia isan'ireo manao ny ezaka sy mandrisika ny mpitondra sy ny tompon'andraikitra isan-kajiny mba afahan'ny maneho hevitra. Ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia isan'ireo singa hampandrosoana ny firenena. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fandrosoan'ny kolontsaina no hanasongadinana ny fandrosoan'ny firenena. Ny toe-karena voarindra no mitsinjo ny fiainan'ny tsirairay. Ny Eglizy dia manentana sy manosika amin'ny fitadiavina ny "vraies significations de la nature et de l'homme". Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny Eglizy katôlika dia miara-dia amin'ny fiaraha-monina, indrindra amin'ny fitondram-panjaka, manentana ny olona hiaro ny zon'olombelona. Ny fanajàna ny zon'olombelona dia ahazoan'ny rehetra tombontsoa satria manamafy ny fitiavana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Raha mbola misy ny fanararaotana, ny kely tsy mba mamindro dia tsy maintsy mijoro ny Eglizy. Mamerina amin’ny laonina ny korontana nataon’ny olombelona. Endri-panahafana : Manafaka ireo zohi-pahoriana sy tsy misy mpiahy, ireo karazam-pamoretana sy fampijaliana, izany hoe : fiarovana ny aina sy ny zava-boary. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco