Ny politika ho an'ny Eglizy dia mifototra amin'ny baiboly. Misy fisarahana ny fahefana pôlitika teo amin'ny Eglizy sy ny fanjakàna, ohatra amin'ireny ny toeran'i Cesar sy Andriamanitra. Mazava ny politika ho an'ny Eglizy, ireo mikasika ny famonjena ny olona ary tsy miantefa ho an'ny vondron'olona fa ho an'ny rehetra ; tsy toa izany ny an'ny fitondrana fa raharahan'antokon'olona. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Avy amin'ny teny grika "polis" midika hoe "tanàna". Ny politika dia fitantanana ny tanàna, mikendry ny filaminana sy ny firindran'ny tanàna, mikendry fampandrosoana. Ny politika hita taratra ankehitriny anefa tsy toa izany satria lasa mihazakazaka any amin'ny adilahy liham-pahefana, fikatsahana tombontsoa manokana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Nohariana hitovy endrika amin'Andriamanitra, nomeny ny fanahiny ny olombelona rehetra. Ny fanavakavahana mahakasika ny zo fototra dia tsy maintsy foanana satria mifanohitra amin'ny fikasan'Andriamanitra. Efa ao anatin'ny fandaharan'Andriamanitra ny fahasamihafana mba handraisan'ny tsirairay avy amin'ny hafa izay ilainy, izany hoe hisian'ny fifamenoana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Tsy misy fiaraha-monina ara-drariny mety ho tanteraka, raha tsy voahaja ny hasina maha-olona. Ny lamina sy ny fandrosoana eo amin'ny fiaraha-monina dia tokony hitondra soa ho an'ny olona mandrankariva, satria ny filaminan'ny zavatra dia fehezin'ny filaminan'ny olona. Tsy maintsy tsinjovina ny fiainan'ny olona sy izay ilainy hivelomany amim-pahamendrehana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...