15 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
Masina sy voatokana ny firaisana ara-nofo, ary ampahafantarina ny tanora, indrindra amin'ny fandalinam-pinoana ho firosoana amin'ny Sakramentan'ny Fankaherezana. Ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy, ara-pananahana dia fitaovana ho entin'Andriamanitra hiarahana miasa amin'ny zanak'olombelona hitehirizana ilay aina avy Aminy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
14 mey 2024 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
Mba hanomanana ny ho avy dia tokony halefa mianatra any an-tsekoly ny ankizy sy ny tanora raha mbola misy ny fahafahana, tombontsoa ho azy ireny izany sady ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ho fanampiana ny fanabeazana any an-tsekoly dia tsara ny fampidirana ny ankizy na ny tanora amin'ireny karazana fikambanana fibeazana ireny, any dia misy fitsipika sy lalàna mahasoa. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco