Na zava-dehibe aza ny Litorjia dia tsy ampy raha tsy misy fitoriana sy fanabeazana finoana. Olona mino sy mibebaka no mankalaza ny Litorjia. Ny olona tsy mbola mino dia mila ampidirina amin'ny finoana amin'ny alalan'ny fitoriana ny evanjely sy katesizy, ary izay vao afaka mandray anjara amin'ny Litorjia, izay vokatry ny finoana... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny Litorjia eto an-tany dia fandraisana anjara amin'ny fiderana any an-danitra, miaraka amin'ny Anjely sy ny Olomasina. Na mbola miaina amin'izao tontolo izao aza isika olombelona, dia efa mandray anjara amin'ny Litorjia any an-danitra amin'ny alalan'ny fankalazàna ety an-tany. Ny Litorjia dia vavahady manokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ao amin'ny Litorjia, indrindra amin'ny Eokaristia dia i Jesoa Kristy no tena miasa : amin'ny endriky ny pretra manao ny fombafomba, amin'ny Sakramenta manome fahasoavana, amin'ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny vahoaka, amin'ny vahoaka mivory amin'ny anarany. Jesoa Kristy dia ilay tena Mpisorona sy Otely hanaovana sorona... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Amin'ny asa pastoraly indrindra ao amin'ny Litorjia ny asan'i Kristy dia mitohy ao amin'ny Eglizy. Amin'ny Litorjia i Kristy dia mampiray amin'ny tenany ny mpino ary ny Eglizy dia mandray anjara amin'ny asan'ny famonjena. Izany no mahatonga ny Eglizy antsoina hoe "Sakramentan'ny famonjena" amin'ny tantara. Ny Litorjia dia asa iombonan'ny Eglizy sy i Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco