15 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)

Ny fitsaihana sy ny fiheverana fa tsy mbola ain'olombelona ny tsaika raha tsy mipetraka ao amin'ny tranon-jaza dia hevi-diso. Tsara ho fantatry ny rehetra fa raha vao misy firaisana ara-nofo fotsiny eo amin'ny fotoana mahavaky tsiry ny vehivavy ka tafakambana amin'ny tsirinaina vavy iray ny tsirinaina lahy iray dia manomboka eo no fiforonan'ny ain'olombelona, tena azo antoka io, noho izany dia olombelona tena manana aina ny tsaika. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

14 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)

Manan-danja ny fahasalaman'ny reny mitondra vohoka, filaminan-tsaina satria izany no antoka lehibe amin'ny fahavelomana sy fitombon'ny zaza araka ny tokony ho izy ao ankibo. Voaantso manokana hiandraikitra ny fitohizan'ny aina ny Reny rehetra, adidiny noho izany ny mikajy sy mikolokolo ny aina entina eo am-bohoka, izy ireo dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...