Ilaina ny fandraisana andraikitra sy ny firotsahana ka entanina ny tanora mba tsy hanana toetra miandry mahazo. Ilaina ny mifanampy eo amin'ny fiainana raha tiana ny hahomby. Ny talenta dia fahaiza-manao ka isan'ireny ny fanehoana ny zava-kanto isan-karazany toy ny tantara antsehatra, ny hoso-doko, ny mozika isan-karazany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 8 aogositra 2021 — Alahady fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 41-51
Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 7 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-20
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco