Tsy velona irery ny olona fa mila fiaraha-monina itomboana ka hahalalany ny tenany. Mamolavola ny fiaraha-monina satria ianarana ny fiainana, Mety tsy ho tsara avokoa izay hita eo amin'ny fiaraha-monina fa izay no ilàna ireo herim-panahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
Ny fanahy dia ilay fahaiza-miaina sy toetra tsara ananana. Efatra ireo hatsaram-panahy fototra dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onona. Manana ny maha izy azy ny olona rehefa tomady sy mahira-tsaina, mahery fo sy tsara fanahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
Talata 13 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24
Fo : efitra anatiny indrindra amin'ny olombelona, mirakitra tsiambaratelo, foiben'ny fanapahan-kevitra. Ao no mitoetra ny hetsika rehetra na ny fitiavana na fankahalana, hafaliana na alahelo, famindram-po na lolom-po. Mila tezaina ny fo fa antoky ny fiainana maha olona. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco