Zoma 06 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Tsy ny hahafatesan'ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany ka ho velona izy.
Alakamisy 05 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Alarobia 04 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 2-32 — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
Nandray anjara lehibe tamin’ny fampivoarana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly teto Madagasikara ny Fikambanan’i Jesoa, tamin’ny taonjato faha-19. Anarana tsy azo adinoina amin’ireo misionera zezoita frantsay tamin’izany i P. Dalmond, P. Jouen, P. Cazet, P Finaz. Na dia teo aza ny olana nosedraina tamin’ny fifanoheran’ny anglisy sy frantsay, ny katolika sy ny protestanta izay fivavahan’ny mpitondra fanjakana tamin’izany, dia tsy nahasakana ny fitombon’ny kristianina katolika izany noho ny ezaka nataon’ireo misionera zezoita sy lasalianina.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco