1 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Araka ny lalàn'ny Eglizy, "code de droit canonique" tamin'ny taona 1983 ; ao amin'ny Canon 1083 § 1 dia voafaritra mazava tsara fa 14 taona ho an'ny vehivavy ary 16 taona ho an'ny lehilahy, ireo no taona kely sy ambany indrindra hahafahana miroso amin'ny mariazy. Raha sanatria ka lasa alohan'ireo taona faritan'i Eveka tompon-toerana dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

31 mey 2024 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Ny tanora dia azo oharina amin'ny zava-maniry dia misy ilay antsoina hoe masaka na matoy, alohan'ny fotoanany. Olona moa no resahana dia misy ilay "miteraka mialoha ny mahazatra. Tsara ny manamarika fa tsy ny tanora rehetra no afaka miteraka fa izay efa manana toe-batana vonona sy matotra tsara. "Mariazy" ilay teny hifanoloran'izay hivady eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...