(27-05-2020) Ny safidy sy ny talenta nomen' Andriamanitra no maha tafita eo amin'ny fiainana.

Mila manaiky ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpanabe hoe tsy fidiny izao zavatra mitranga izao. Mila misaotra an'Andriamanitra ihany koa hoe mbola velon'aina afaka mampita fahalalana amin'ny mpianatra. Tsy tokony hohadinoina fa raha tsy mahay ny ankizy, tsy vahaolana ny sazy ; ary indrindra indrindra mila mahay mandray lesona amin'ny zava-mitranga. Mila mahery, mila manam-pinoana sy fanantenana.

Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)

(07-05-2020) Fanabeazana ho olom-pirenena vanona ho raiamandreny sy zanaka tompon'andraikitra.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...