Ny atao hoe "FANAMBY" dia ahitana ny foto-teny hoe "TAMBY", izany hoe Valisoa sy tanjona. Ny fanamby ho an’ny fianakaviana dia ny mba ho fianakaviana mifanohana sy mifanampy , mifankatia mba ahazoana ny tena fahasambarana sy fiadanana. Ny vahaolana manoloana sedra hatrehin'ny fianakaviana : mifandefitra , mifampihaino , mifanaja , mifampiresaka.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Anatin'ny fizahàna vahaolana maro lafy hanavotana ny firenena ny mpitondra ankehitriny, zava-dehibe ny teny famporisihina, ankoatra izany ny fahaizana mifanampy amin'ny hatao sy ara-kevitra. Aoka atao lohalaharana ny soa ho an'ny maro an'isa, miorina amin'ny fihavanana sy amin'ny fahaiza-mihaino. Mamotika ny fiahara-monina ny tsy fahaiza-mihaino. Midika ho firaisana tsikombakomba ny tsy fihainoana, manome vahana ny fandrombana ny harem-pirenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Fanapoizinana raha natao fanahiniana, fa fahapoizinana raha tranga tsy nahiana. Ambara fa poizina ny hita amin'ny sakafo rehefa miteraka fikorontanana eo amin'ny fahasalamana sy ny vatan'ny olona iray ny singa voatelina. Poizina : akora simika, methanol, zava-maniry misy poizina, fisian'ny otrik'aretina anaty sakafo (E. coli, Listeria, Salmonella et Shigella) ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco