Miavaka ity fankalazana ny tsingerin-taona niverenan'ny fahaleovan-tena taona 2020 ity, satria tanterahana anaty fihibohana. Vanim-potoana hieritreretana ny fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana. Mora ny mitadidy sy mitantara ireo voarakitra tamin'ireo dingana maro nolalovan'ireo mpiray tanindrazana teo aloha, nahazoana manatanteraka izao fankalazana ny fitsingerenan'ny fiverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena izao. Raha mahatsiaro fa tena olom-pirenena marina ianao : fohazy ny afom-pitivan-tanindrazana.
Aizahoaiza ny fahaizana mapita ny Soatoavina maha Malagasy. (24-10-2019)
Ilaina ny fanomezana fanabeazana ny zanaka amin'ny fampafantarana azy ireo ny lafim-piainana. (17-06-2020)
Mila manontany tena ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan'ny tontolo manodidina azy. Mila mikaroka ny saina. Inona no tokony atao mba tsy hanimbana ny olona eo akaiky ? Mila migaga ny fahatsaran'ny zava-boahary ; satria mitarika ny saina hanao zavatra tsara izany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco