Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny reny dia loharanom-panantenana, loharanom-pitiavana, loharanom-pahatsorana. Ny Reny no mamindra ny aina ho an'ny zanaka, avy amin'Andriamanitra. Tandindonin-doza hatrany anefa ny aina, ary ny fototry ny ady matetika dia fiarovana ny "aina", ny aina dia fitiavana. Ny fanabeazana atao eny anivon'ny ankohonana dia ipoiran'ny fanantenana, izay ny reny no tena miandraikitra azy. Ny vehivavy ela velona noho ny lehilahy, taratry ny fanantenana. Ny reny dia manana fahatsorana izay mampilamina ny ankohonany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Rehefa mangatsiaka ny andro dia maro ny zavatra mikorontana ao amin'ny vatan'ny olombelona sy ny tontolo manodidina. Rehefa anatin'ny hatsiaka be dia mikainkona ny lalan-dra io ilay hatao hoe "vasoconstriction" ; ny faharoa miakatra ny tahan'ny "Cholesterol" sy ny "fibrinogène"; ny fahatelo dia lasa marihitra ny ra ; mihena ny rano mpanamora ny fihetsehan'ny vanin-taolana "liquide synovial" ; malaina daholo ny taova.  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...