Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fitondrana vohoka dia maharitra 9 volana. Ilaina ny fanaraha-maso ny vohoka manomboka amin'ny fahaefa-bolan'ny vohoka. Mbola ambony ny taha-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ; 70% amin'ny reny dia tsy miteraka any amin'ny tobi-pahasalamana fa any an-tranony ihany, ary izay no isany antony hisian'ny fahasarotana. Ireo fahasarotana mety hitranga : fahaverezan-dra be loatra, fanafian'ny otrik'aretina (sovoka), fivainganan'ny ra amin'ny faritry ny tongotra ary ny farany dia tsy filaminan-tsaina. 45 hatramin'ny 50 andro, aorian'ny fiterahana dia ilaina hatrany ny manara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, hisorohana izay mety ho fahasarotana, fizaham-pahasalamana isaky ny herinandro...
Ho famintinana ny fanabeazana ara-pahasalamana nifampizarana nandritra ny taona dia ireto tsara hotadidiana, ho fitandremana ny fahasalamana : voalohany fadiana ny manao dokotera tena satria ny fanafody dia omena arakaraka ny toe-pahasalaman'ny olona iray, ary indrindra, omena hamongorana ny aretina fa tsy hanalana ny fisehon'aretina fotsiny akory. Faharoa, tsara sy mahasoa hatrany ny fananana mpitsabo mahazatra izay mahalala tsara ny toe-pahasalaman'ny tena. Ary farany, raha misy tsy fahasalamana dia aleo ihany manatona ireo mpiasan'ny fahasalamana ara-dalana, nandalim-pahalalana sy nahazo alalana hikarakara ny fahasalaman'ny olombelona.
Mariky ny fanantenana ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy. Manampy antsika izy hahazo ahoana ny tsy maintsy fitondrantenantsika manoloana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Tsy azontsika atao ny manilika na ny mampizaka azy ireo fitondrana tsy araka ny maha-olombelona na ny fanilihana. Tsy maintsy mikarakara azy ireo isika. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara sy ny Radio Don Bosco.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco