Manana ny anjara toerany amin'ny sehatry ny fiompiana akoho sy famokarana atody eto amintsika ny Kaominina Ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza atao amin'ny Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Mivoaka ao amin'ity Kaominina ity avokoa ny 30% hatramin'ny 40% ny atody jifaina eto Madagasikara. Atody 200.000 hatramin'ny 300.000 isan'andro no mivoaka ao amin'ny Kaominina.

Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fitondrana vohoka dia maharitra 9 volana. Ilaina ny fanaraha-maso ny vohoka manomboka amin'ny fahaefa-bolan'ny vohoka. Mbola ambony ny taha-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ; 70% amin'ny reny dia tsy miteraka any amin'ny tobi-pahasalamana fa any an-tranony ihany, ary izay no isany antony hisian'ny fahasarotana. Ireo fahasarotana mety hitranga : fahaverezan-dra be loatra, fanafian'ny otrik'aretina (sovoka), fivainganan'ny ra amin'ny faritry ny tongotra ary ny farany dia tsy filaminan-tsaina. 45 hatramin'ny 50 andro, aorian'ny fiterahana dia ilaina hatrany ny manara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, hisorohana izay mety ho fahasarotana, fizaham-pahasalamana isaky ny herinandro...

Ho famintinana ny fanabeazana ara-pahasalamana nifampizarana nandritra ny taona dia ireto tsara hotadidiana, ho fitandremana ny fahasalamana : voalohany fadiana ny manao dokotera tena satria ny fanafody dia omena arakaraka ny toe-pahasalaman'ny olona iray, ary indrindra, omena hamongorana ny aretina fa tsy hanalana ny fisehon'aretina fotsiny akory. Faharoa, tsara sy mahasoa hatrany ny fananana mpitsabo mahazatra izay mahalala tsara ny toe-pahasalaman'ny tena. Ary farany, raha misy tsy fahasalamana dia aleo ihany manatona ireo mpiasan'ny fahasalamana ara-dalana, nandalim-pahalalana  sy nahazo alalana hikarakara ny fahasalaman'ny olombelona.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...