Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.
Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...
Ny raboka "tuberculose" dia aretina azo avy amin'ny otrik'aretina "bacile de Koch" na BK, izay haparitaky ny marary, tsy voatsabo, eny amin'ny rivotra iainana. Ny faritra mety hisehoany dia ny aretina amin'ny endrika maro: ny ao amin'ny tratra, ny anaty avokaoka na ivelany, ny amin'ny hoditra, taolana, ny atodi-tarimo. Fambara : fisian'ny kohoka 2 herinandro, manavy, tsemboka amin'ny alina, malain-komana, mihamahia, rera-dava, marary ny tratra, misy rà ny rehoka. Enim-bola eo ho eo ny faharetan'ny fitsaboana izay maimaimpoana.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco