Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna...
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao, ny toetra sy ny fihetsika dia ny fanao mahazatra, fomba fiheverana mirakitra fahendrena, maneho ny maha izy azy ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny riba dia maneho zavatra sarobidy ao anatin'ny fiaraha-monina ; misy toetra sy fihetsika mifototra tamin'ireo hafatra napetrak'ireo razambe teo aloha, iombonan'ny besinimaro ary hifandovana. Ny Riba dia mivoatra araka ny vanim-potoana, izany hoe misy ny "riba tranainy na ela" sy ny "riba vao" ; ohatra ny famorana dia ny rain-jaza no nanatanteraka azy taloha fa ankehitriny dia efa mpitsabo nianatra manokana ; izany hoe hatarafana ny fomba taloha sy ny vao. Iray ihany ny RIBA sy ny FOMBA, KOLOTSAINA...
Ankoatra ny maha mpitsabo nianatra tany Ivelany an'i Dokotera Rasamimanana Joseph, dia nahasaropiaro azy koa ny manodidina ny "raokandro", izany hoe ny fampiasana ho fitsaboana ireo zava-maniry toy ny ravina voafotsy sy ny aferon-tany. Ny voninkazo "iris" no tena nanaovany fikarohana lalina ka nahafahana nitsabo ny kohoka, ny taovam-pisefoana, tosi-dra, fery... Nanoratra tamin'ny gazety sy boky samihafa ity Dokotera ity ary nosoniaviny tamin'ny anarana hoe "iris" ireny lahatsoratra nataony ireny. Niaro ny teny Malagasy izy, nanefy voambolana ho an'ny tontolon'ny fitsaboana ihany koa...
Ny zava-maniry "tangena" no nanaovan- Dokotera RASAMIMANANA Joseph fikarohana ary nampisongadina azy tany ivelany ; tamin'ny faha-25 taonany no nanaovany tohon-kevitra mikasaika izany, nahafahana nitily sy nampiasa ny singa atao hoe "tanghinine" ao anatin'io zava-maniry io, indrindra ny vokany amin'ny fo. Tsindry nataon'ireo mpitondra sy tompon'andraikitra no tsy nahafahan'io dokotera io naneho ny fahaizany tamin'ny sehatra lehibe. Rehefa lasa zanan-tany Frantsay i Madagasikara vao voatendry hiasa tamin'ny "hopital" ny dokotera RASAMIMANANA Joseph. Ny fampiasana ny "lali-manga" ho solon'ny "Antibiotique" dia voka-pikarohana nampitolagaga ny maro ; havanana amin'ny fandidiana ara-pahasalamana koa izy...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco