Alakamisy 15 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54 — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

0 : 00

Anisan'ny namonoana ny mpaminany tany amin'ny Testamenta Taloha, eny fa na i Jesoa izay mihoatra ireny mpaminany ireny aza, dia noho izy ireny mitory sy mijoro ary mampianatra ny marina, mitandro ny rariny. Ny antony mantsy dia manelingelina ny Farisianina sy ny mpanora-dalana izany rehetra izany, indrindra eo amin'ny fiainam-bavaka sy ny rafi-piaraha-monina. Satria tokoa i Jesoa no irak'Andriamanitra mivantana sy mpitondra ny hafany tety an-tany, ka tsy eken'ny sain'izy ireo velively izany.Tsy mataho-maso mena anefa i Jesoa fa vonona ary sahy mijoro milaza ny marina araka an'Andriamanitra. Tsy natahotra vavan'olona i Jesoa, na dia efa fantany àry hoe hiafara amin'ny fanenjehana azy sy ny fifofoana ny ainy. Izay tokoa ilay hoe, izay sahy maty no mifono lambamena.

Ankehitriny dia mbola hita sy tsikaritra ny toe-tsaina farisianina amin'ny toerana rehetra, izany dia miseho amin'ny tsy famelana ny kristianina haneho ny finoany, amin'ny fanaratsiana ny Fiangonana, amin'ny fanenjehana ny mpitondra ao amin'ny Fiangonana. Koa alao hery àry, ho an'izay voakasik'izany, fa raha tsy miaraka amin'Andriamanitra angaha moa misy mpanenjika izany, fa ny hazo avo hono halan-drivotra, ary ny fotsifotsy halan-doto, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho, hoy i Masindahy Paoly. Rasiko ny anjara manandrify ny fiantsoanao ahy, vonona aho ho tia hatramin'ny fara fofon'aiko. Fa izany no voadiko masina, ry Andriamanitra Ray ô ! Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...