Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...

Maria, tahaka ny nahateo anilantsika azy nandritra ny fiainantsika manontolo, dia ho eo anilantsika koa izy amin'ny ora hahafatesantsika. Ao amin'ny vavaka angatahantsika aminy, any amin'ny faran'ny Fiarahaban'ny Anjely, amin'ireny fotoana ireny isika dia mangataka aminy handray ny tanantsika sy hanampy antsika hitsangana ka hiazakazaka hanatona an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny fiainantsika. Hasivianandro fanomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahasivy.

Maria, izay nisitraka tanteraka ny fiainany ho toy ny fanomezana, dia vehivavin'ny vanim-potoana rehetra, isan'izany ny antsika izao. Tsy mety fo lefy laza izy, tsy mba lazoin'ny fahanterana velively, tsy mety ho lany manja. Afaka tsara mihitsy isika, mihevitra fa eo anilantsika izy mandritra ny sedra mahazo antsika, amin'ny fangirifiriana sy ny tebiteby mianjady amintsika, satria efa niharan'izany koa izy. Izy ankehitriny no mpanampy sy mpanohana azo antoka ho antsika. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahavalo.

I Maria dia vehivavy mifikitra tanteraka amin'Andriamanitra, nefa tsy miefitra velively amin'ny olombelona, na amin'ny fiainana na amin'ny tantaran'izy ireo. Tsy miloa-peo izy satria mihaino sy mandray mandrakariva ny tenin'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Ny fanginany no mamela azy hihaino sy handanjalanja mba ho afaka hanavaka, ao anatin'ireo sahoa marobe, ireo teny tena manan-danja marina. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahafito.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...