Ny "kapobava" dia avy amin'ny voambolana roa "kapoka" miampy "vava". Ny "kapobava" dia isan'ny mahafeno ny fepetraha maha literatiora sy lahabolana satria hay famoronana niainga tamin'ny lahabolana fanao tao amin'ny Faritra Analanjirofo izy io. Lahatsoratra miendrika tononkalo ny kapobava, mitsikera, manatsikafona ny tsy fahamendrehana ara-pitondran-tena, fiteny, fihetsika, fanao mivaona amin'ny fitsipiky ny fiaraha-monina. Poeta, antsoina hoe Jacques Ulrick no loharano nipoiran'izy ity.
Ny "saina" dia misy velarana tokony ho hajaina, raha toa ka latsaky noho ny refy voalaza dia "faneva" no fiantsoana azy. Ny refy farany kely indrindra amin'ny sainam-pirenena dia mitovy ny velaran'ny loko tsirairay ka 15 santimetatra ny sakany ary 30 santimetatra ny lava ; noho izany raha mitambatra ny lamba miloko rehetra dia 30 santimetatra ny sakany ary 45 santimetatra ny lavany. Ranaivoson Andrianome no namorona ny firafitry ny sainam-pirnena malagasy. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Ny atao hoe "Andravana" dia isan'ireo lahabolana amin'ny endrika hira. Ny "andravana" dia fanao amin'ny fotoana fiaretan-tory mandritra ny fiandrasam-paty. Ny "andravana" dia ny foko betsileo no tena manao azy ary amin'ny fotoanan'ny fahoriana ; misy karazana "andravana" ihany koa aty an-kibon'Imerina fa kosa , ity farany, dia hira fanaon'ireo havana na namana tavela an-tanàna, entina hirariana ny soa sy ny tsara ho an'ireo vatan-dahy lasa niantafika. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Ny anarana "tanàna" dia misy hatrany ny tantara mifamatotra aminy. Ny famoronana anarana "toerana na tanàna" dia mifototra amin'ny finoana, izany hoe faniriana soa sy fanambinana ka ao anatin'izany ny fahasalamana, harena ary ny fitiavana. Misy fomba maromaro nanomezana anarana toerana iray ; milaza "isa", miresaka "tany, loko, vato, rivotra, rano" ; milaza "foto-drafitr'asa" ; manambara fampitandremana ; mampisongadina zava-maniry. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco