Mpirahavavy i Rojo sy i Lisy, ka itsy farany no zandriny. I Lisy dia tovovavy nazoto nandranto fianarana ka tsy nitandro hasasarana ny reniny nitady lalana hampianarana azy. I Lisy dia tovovavy sariaka, tia mifandray aman'olona, tsara tarehy. Nisy olana teo amin'izy roa vavy satria nampirafy an'i Rojo zokiny tamin'i Lisy ny vadiny antsoina hoe Tovo. Nandefitra tamin'ny fahadisoana nataon'i Tovo sy i Lisy i Rojo zokiny. Nahazo vady ihany i Lisy dia i Tojo, anefa mbola miaraka miafina ihany i Tovo sy i Lisy. Misafotofo ny tantara ary mihezaka mamaha ny olana misy i Rojo sy ny reniny. Nihafara tamin'ny fahafatesan'i Rojo ny aretim-po nahazo azy, ary namaly faty ny fanahiny...

Misisika ny hiaraka amin'i  Lauria hatrany i Thierry, very fanantenana ity farany hoe rahoviana no hanaiky ny fitiavany io tovovavy mba iriany io ; ity tovovavy ity moa dia efa kamboty ray sy reny. Nanaiky ny hitia an'i Thierry ihany i Lauria rehefa nandinika volana vitsivitsy. Niverina teto Antananarivo ny olontian'i Thierry taloha ary misisika ny hiaraka aminy indray. Hitan'i Minosoa niaraka i Thierry sy io tovovavy io, notanteriny tamin'i Lauria, tsy nino ny zava-misy ity farany, ary niteraka disadisa teo amin'izy roa resaka io...

Manana aretim-po i Ialy, ary efa notoroin'ny mpitsabo hevitra izy mba hampifaly tena matetika fa tsy hitoetra anaty alahelo ; manampy azy amin'ny olana samihafa ny reniny. Sahiran-kevitra amin'ny fanampiana an'i Ialy ihany koa ny mpiara-miasa aminy dia i Mendrika. Nifanena tamin'i Rivo, indray hariva, i Ialy ;  noho ny andro hariva dia naterin'io tovolahy io hatrany an-trano i Ialy, teo no niantombohan'ny fifankatiavan'izy roa...

Mpifankatia i Toky sy Fy, zanak'olona mipetraka aty andrenivohitra. Indray andro nitondra fiara teny ambanivohitra izy ireo no nahavoadona tovovavy iray antsoina hoe Niry, zanak'i Ranary. Noho ny tahotra hahita raharaha amin'ny Fitsaràna dia nalevin'i Toky sy io sakaizany io antsokosoko ny fatin'i Niry. Teo anaterahan'io voina io dia tsy nijanona hatreo iny raharaha iny satria nikaroka an'i Niry ny rainy, ary niafara tamin'ny fanatonana ombiasa mahay misikidy ireny...

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...