Mpivady tsy mifanara-tsaina i Patrick sy Ninah, mijaly araka izany ity ramatoa ity. Naka an'i Zily mba hanao ny asa an-trano, izay avy any ambanivohitra, i Ramatoa Ninah. Tojo tsy fahasalamana i Patrick rehefa natao ny fitilina dia fantatra fa tsy afaka ny hiteraka izy sy ny vadiny. Niteraka olana teo amin'izy mivady ilay hoe tsy afaka mifampiteraka ary noampangain'i Patrick ho Ninah no momba. Nifampikasi-tanana izy roa ary tonga hatramin'ny fandroahana...

Sandy dia lehiben' ireo mpandroso sakafo amin'ny Hôtely lehibe iray, tia azy ary maniry ny hiaraka aminy i Hery. Nitady hevitra hiresahana matetika amin'i Sandy i Hery, ary nanapa-kevitra ny namboraka ny fitiavany an'ity vehivavy ity. Mpinamana i Hery sy Rina, mifamboraka olana ; nangataka toro-hevitra i Hery mba hanamafisany ny fifankatiavana ao antokantranony...

Efa samy olon-dehibe i RAZAKa sy RALALA kanefa dia nisaraka ary efa samy manana ny orinasany avy. Razaka 54 taona, Ralala kosa 50 taona ; efa niteraka izy mivady ireo ka Zo no anarany ary efa mahaleontena amin'ny fivelomana ihany koa ity farany sady efa manambady...

Nametraka didi-pananana i Rabeza, nialohan'ny nahafatesany ka nomeny an'i Fara zanany vavy daholo ny fananana rehetra. Renikelin'i Fara i Ramatoa Selesy Nogiazan'i Raselesy ny fananana rehetra, izay lovan'i Fara avy amin'ny rainy, tsy nampahafantariny an'i Fara ny fisian'ny didi-pananana, ity farany rahateo mbola tsy ampy taona. Nifankatia i Leva sy Fara, nampifilafila an'i Fara hatrany anefa i Leva. Naneho toetra ratsy an'i Fara isan'andro i Raselesy...

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...