Mampatahotra sy mampiahiahy mafy ny zavatra hitranga mandritra ny fampinomam-be, araka ny nambaran'ny olona mahatoky tamin'i Leva sy Anja. Be dia be ny haratsiam-panahy sy ny ankasomparana ataon'ny mpanozon-doha sy ny mpanao raharaha : ny harihitry ny tangena ampiasaina, ny fanoloran-dranon-koba sy ny sisa.

Miady saina mafy i Rivo fa fantany fa i Ranja no namono ilay renin-janany, reny niteraka an'i Mialy, na dia nahavita nisolo ny toerany nandritra ny dimy taona nivadian'izy ireo aza i Ranja. Sady malahelo an'i Ranja izy no mankahala azy koa. Nampiantso azy mianadahy : i Tefy sy i Mialy, handalo any amin'ny toera-piasany izy, mba hilazany izany vaovao izany, kinanjo ny vatany efa nangatsiaka no novantanin'i Tefy sy Mialy.

Sahiran-tsaina mafy i Ranja fa niverina indray ny fanaon'i Rivo aminy toy ny taloha : miavonavona, tsy miraharaha, handeha lavitra tsy mampiomana. Na i Mialy koa aza lasa nihafahafa tamin'i Ranja. Inona no antony ?

Sahiran-tsaina fatratra ny amin'ny fitiavana miha lalim-paka ao am-po saingy tsy ho azo iainana izay mamatotra azy ireo i Tefy sy i Mialy. Ny fisarahan-toerana mba tsy hifankahitana intsony no vahaolana hitan'izy ireo. Noborahan'i Tefy tamim-pahamenarana tanteraka tamin'i Mialy fa ny rainy no nampamono ny rain'i Mialy. Hitan'i Tefy ny nandrarahan'i Tiana zavatra tao anaty sakafon'i Mialy. Ary dia nosoloiny izany ka nomeny ny alika.

[Miara-dàlana] Zoma 31 mey 2024

♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...