Fianakaviana iray, Alphonse sy Ramatoa Olga ary manana zanaka lahy iray atao hoe Pascal, azo sokajiana manana ny mahaizy ary manana fototr'asa tsara. Ny fianakaviana Rebeka, fianakaviana sahirana, niezaka nitady hevitra hampivoarana ny fianakaviany anefa ilay ramatoa renim-pianakaviana. Samy nividy trano sy tany amin'ny toerana tsy lavitry ny renivohitra ireo fianakaviana ireo, tsy nampozina anefa fa trano iray sy tany mitovy no namidin'ny mpisoloky tamin'izy ireo...

Mpitantana orinasa Andriamatoa Ralison ary manana zanaka vavy iray atao hoe Mendrika, tena kizintina sy masiaka loatra, mpanao tsinotsinona ny mpiasa ao amin'ny orinasa. Rosa no sekretera mpiara-miasa amin'Andriamatoa Ralison, izay tale jeneraly sady tompon'ny orinasa, nialatsiny tamin'ny toetra feno avonavona nasehon'ny zanany vavy ilay tale. Nanana olotiana atao hoe Kiady , efa niaraka taminy ela i Rosa.

Mpifankatia i Sedera izay miramila sy Miarana, mitondra vohoka. Mamita iraka matetika i Sedera ary nanometoky izy tamin'ny dia farany nalehany fa hiova asa hafa mba hilaminan'ny fiainan'izy roa raha vao tafaverina. Voatifitra tany an'ady i Sedera, nandritra ny fifanandrinana tamin'ny dahalo. Notsindromin'i Hery namany tamin'ny ranom-panafody mahafaty i Sedera mba ahafahan'iry voalohany manambady an'i Miarana. Tsy nampoizin'i Miarana hoe maty ny fofombadiny.

Kivy tamin'ny olana niainany i Joseph, ary nafoiny hatramin'ny vavaka. Maty vady i Joseph, kamboty noho izany koa i Angele sy ny Jeannot zandriny. Tsy tantin'i Joseph ny miaina irery tsy misy vady ary ny famelomana ireo zanany roa, ny fitadiavana sakafo isanandro sy ny fikarakarana. Milaza tsy mahita tombontsoa amin'ny fivavahana intsony i Joseph sy Jeannot zanany, ambaran'ireo fa manompo sampy ny katolika ary mivavaka amin'ny sarivongana.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...