♦ Niatrika ny fetin'ny Noely tao anaty filaminana ny Malagasy rehetra hatramin'ny omaly. Nosembanin'ny oram-be sy avandra izany fety izany ho an'ny toerana teo Antananarivo ho an'ny omaly tolak'andro... ♦ Tsy dia nisy loatra ny fiatoana toe amin'ny sehatry ny pôlitka na ny "trêve politique" noho ny fetin'ny Noely sy ny taom-baovao. Anisan'ireo tsy nampihatra izany ny antoko MFM noho ny fahitan'izy ireo ny raharaham-pirenena tato anatin'ny 3 volana farany... ♦ Midina eny amin'ny Fokontany eto amin'ny Faritra Analamanga manomboka izao ny FISEMARE, mampahanfantatra ny rehetra fa zava-dehibe ny fidirana anaty sendikà. Tsy ny mpiasa amin'ny orinasa ihany no tokony hiditra sendikà sy arovana amin'ny zony hoy izy ireo...
♦Tsy hisy fiovana amin'ny andavan'andro, tsy hisy hampiavaka azy manokana ny fiatrehana ny fetin'ny Noely ho an'ny ankamaroan'ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Voararan'ny lalàna ny famonoana sy fivarotana hena tsy mandalo toerana voatokana, izay mety hampiparitaka valan'aretina hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana LeZoma Tsiry Andriamahatola... ♦ Tsy tokony hihoatra ny valo fara-fahabetsany ny isan'ireo ministra handrafitra ny governemanta vaovao hatsangan'ny filoha hoy ny jeneraly misotro ronono sady ministra teo aloha Tsaranazy Jean Emile... ♦ Miantso amin'ny hampitomboana ny fanampiana maha olona sy ny fahalalahana amin'ny fivezivezen'izany ao Gaza ny Filan-kevim-pilaminan'ny firenena mikambana...
♦ Manohy ny asa andavan'androny amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny foloalindahy na eo aza ny fankalazana ny fetin'ny Krismasy hoy ny Ministra ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Nahitana fiakarana ny tahan'ny farim-pahaizan'ny mpianatra sy ny voka-panadinam-panjakàna azo, tamin'ireo sekoly ambaratonga fototra niasan'ny tetik'asa SCORE... ♦ Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay tranga faharendrehan'ny lakana misy motera tany amin'ny reniranon'i Manampatrana Farafangana, loza izay nitranga ny harivan'ny 21 desambra lasa teo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ireo fianakavian'ireo namoy ny ainy tamin'ilay tranga fitifirana nahafatesana olona 13 tao Prague ny Papa François...
♦ Nankahery manokana ny mpitandro ny filaminana androany, ny Ministry ny Fiarovam-pirenena. Nampahatsiahy ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, fa adidy sy andraik'izy ireo ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany... ♦ Hahazo fiahiana ara-tsôsialy atsy ho atsy, ireo Malagasy mpiasa tena amin'ny sehatra tsy manara-drafitra, izay mandrafitra ny 90%-n'ny mpiasa Malagasy... ♦ Natao tao Toamasina ny varotra ampahibemaso ireo fiara nogiazan'ny ARAI. Fiara miisa 17 no voakasik'izany...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco