♦ Tsy misy lalàna manery ny tsy maintsy nanaovan'ny ministra tsirairay fihanianana fa safidy manokan'ny filoha Andry Rajoelina no nampanao izany... ♦ Tsy azo lazaina ho fahabangan-toerana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Ben'ny Tanàna amin'izao, tsy tokony ho azo ampiasaina araka izany ny fametrahana ny filohan'ny delegasiônina manokana hoy ny mpahay lalàna...  ♦ Distrika Belo-Tsiribihina : nikatona nanomboka omaly mandritra ny fotoana tsy voafetra ny sekoly rehetra any an-toerana noho ny resaka fakana ankeriny mpianatra... ♦ Nanao antso amin'ny hanaovana hetsika fitadiavam-bola ho fanampiana ireo lasibatry ny ady ao Ukraine ny vondrona iraisam-pirenena...

♦ Fombafomba vaovao natao tao aorian'ny fanendrena ireo mpikambana vaovao mandrafitra Governemanta, ny fanaovana fianianana...

♦ Tsy mahavaly ny hetahetam-bahoaka ny Governemanta nijoro omaly hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Tsy mba nisy olom-boafidy tena mahita ny hetahetam-bahoaka ao anatin'ny akory,hoy izy ireo... ♦ Lalana maro eto Madagasikara no tsy misy fikojakojàna amin'izao fotoam-pahavaratra izao, ka vao mainka mihsimba. Mahavita tsara ny fanamboarana azy ireny anefa ny vola anatin'ny Fond Routier, hoy ny Depiote Rastany... ♦ Nivily lalana ka tsy ahiana handalo an-tanety eto Madagasikara ilay rivo-doza Belal ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Ho betsaka ny rotsak'orana amin'ny ilany avaratra sy avaratra andrefan'ny nosy anio sy rahampitso noho ity rivo-doza ity...

♦ Voatendry omaly ireo ministra handrafitra ny Governemanta voavao amin'izao fe-potoam-pitondràna faharoan'ny filoha Andry Rajoelina izao. MInistra teo aloha 13 no tafaverina, 10 olom-baovao... ♦ Sekreteram-panjakàna maromaro eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika no hatsangana hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin'ny Lapan'i Iavoloha. Hanatevina ireo ministra eo anivon'ny Governemanta izy ireo... ♦ Tontosa omaly ny fankalazàn'ny Diôsezin'Antananarivo ny fetin'ny Fianakaviana Masina, izay mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nentina nanohana azy... ♦ Feno 100 andro omaly ny niverenan'ny adin'i Israel sy ny Hamas Palestiniana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...