♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Namoaka ny andiany vaovao misalotra ny anarana TAFARAY androany, ny ivontoerana fanofanana araka asa, Centre de Formation Professionnelle Marie Auxiliatrice, Ivato... ♦ 20 taona nisehatra tamin'ny fanomezana tantsoroka ho an'ny fianakaviana marefo ny fikambanana Kolo Aina...

♦ Misy ireo dingana tsy maintsy hajaina na dia manjavozavo aza ny lalàna amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, hoy ny CENI... ♦ Manana ny maha izy azy ny vehivavy Malagasy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana... ♦ Manameloka ny gaboraraka ka nahavery ireo sokatra tao amin'ny valanjavaboahary Tsimbazaza, ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa...

♦ Nahatsiaro sy nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny Sinaodin'ny Eveka tanterahana any Roma... ♦ Mbola tsy manome sehatra ny vehivavy ny antoko pôlitika, hoy ny CNFM. Zara mantsy raha misy 6%-n'ireo kandidà Ben'ny Tanàna no vehivavy... ♦ Nitondra valin-teny fohy momba ny valin-kafatra nentin'i Comores manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fanjakana malagasy ho fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina Choléra, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika...

♦ Nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François amin'izao famaranana ny Sinaodin'ny Eveka any Roma izao. Manazava ny momba ny famaranana ny Sinaody i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Telonjato monja ny isan'ireo vehivavy mirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, araka ny antontan'isa nomen'ny CENI... ♦ Nitondra valin-teny fohy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, manoloana ny fampitam-baovao nataon'i Comores momba ny fanidiantsika ny sisin-tany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...