♦ Tontosaina eto Ivato nanomboka ny sabotsy 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024, ny fivorian'ny “Délégué provincial” momba ny fiofanana Salezianina aty amin'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Manodidina ny 20.000 eo ho eo ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara, raha ny tatitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Azo atao tsara ny mamaha ny olan'ny jiro sy ny rano eto Madagasikara, ka nandroso vahaolana amin'izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho angovo, ny fikambanana Tany Développement...
♦ Misy indray ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky ny familiana ny zotran'ny lalambe migodàna... ♦ Nanolotra tolo-dalàna hanatsarana ny fanabeazana sy ny fari-piainan'ny mpanabe ny sendikà SEMPAMA Nosy... ♦ Zava-dehibe ny fiarovana ny renivohitr'i Madagasikara, hoy ny filoham-boninahitry ny fikambanana MAFAMI ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Miantso ireo miaramila namany handao ny tafika ny iray amin'ireo miaramila rosiana nitsoaka an-daharana izay tsy mankasitraka ny namakiana ny ady any Ukraine...
♦ Tena marary ny firenena, mikororosifahana ny fiarian-karena, maro ireo gaboraraka kanefa tsy tokony hararaotina ny fahantran'ny vahoaka. Hafatra nisongadina taorian'ny fivorianana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana... ♦ Miisa 160 ireo tehina fotsy nozarain'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisan-kina, nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy natao tany Antsirabe... ♦ Nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy akaiky, Mopera PEDRO tamin'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny AKAMASO, roso ny dia aina no fetra hoy izy... ♦ Miisa 14 ireo nasandratra sy nambaran'ny Papa François ho Olomasina omaly, Martiry ny 11 ary mpanorona fikambanana ny 3 hafa...
♦ Amehana eto amin'ny firenena ny momba ny herinaratra ka anara-maso akaiky ny fanatanterahana ny tetik'asa momba izany ny filoham-pirenena. Nihaona tamin'ireo delegasiôn'ny Banky Iraisam-pirenena niresaka ny momba izany Andriamatoa Andry Rajoelina omaly... ♦ Voasaringotra amin'ny raharaha kolikoly ny ankamaroan'ny mpiasam-panjakàna nohadihadian'ny Bianco. Noresahana nandritra ny fakan-kevitra natao tetsy Ambohibao ny fahitsian'ny mpiasam-panjakàna amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Hitarina hatramin'ny rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny faobe ho an'ny ao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano. Hotratrarina ny tahan'ny zaza vita vaksiny hatramin'ny 95%...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco