♦ Hanofana an'ireo vonona hampiasa ny HayFidy manomboka amin'ity herinandro ity ny Transparency International namolavola azy. Fitaovana hanampiana ny olom-pirenena mpifidy amin'ny fanapahan-kevitra manoloana ny latsa-bato ny HayFidy... ♦ Mahazo vahana indray tato ho ato ny fandripahana ala tsy ara-dalàna toa ny tranga tany amin'ny Faritra Analanjirofo sy Alaotra Mangoro. Nidina ifotony manamarina izay fandrimpahan'ala tsy ara-dalàna izay ny Tafo Mihaavo... ♦ Nidina an-dalambe nitaky ny hitohizan'ny fampianarana ny mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo androany maraina...

♦ Nisokatra omaly ny fametrahana ny  taratasy firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana. Tsy mbola nisy kandidà nanatitra ny antontan-taratasiny omaly... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny sata fitsipi-pitondrantenan'ny mpanao pôlitika. Nanao sonia izany ny antoko miisa 35... ♦ Manomboka mirongatra indray ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara amin'izao ankatoky ny fifidianana izao hoy ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny harena voajanahary. Maro ny tranga nanomboka ny volana jona teo...

♦ Mbola tsy nisy kandidà nanatitra ny taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC, hatramin'ny androany. Misy amin'ireo kandidà no mitaraina amin'ny fomba famenoana ireo antotan-taratasy ilaina... ♦ Manomboka mirongatra indray ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara, amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy ny Alliance Voahary Gasy. Maro ireo tranga tsikaritr'ity Firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity... ♦ Nitso-drano ireo atleta malagasy 485 mianadahy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara amin'ny Lalaon'ny Nosy, ny Filoham-pirenena...

♦ Horaisina anio eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny afo ho an'ny lalaon'ny nosy rehefa avy nitety ny renivohi-paritany 5... ♦ Mizarazara ny hevitry ny mpanao pôlitika manoloana ilay fitsipika hifehy ny fitondrantenan'ireo antoko pôlitika, izy nampahafantarina androany... ♦ Efa madiva hifarana ny fikirakirana ireo taratasim-panadinana tamin'ny fifaninanana handraisana mpandraharaha ny fonja farany teo... ♦ Lohalaharana amin'ny famonoana kristiana aty amin'ny Kaontinanta Afrikana ny any Nigéria...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...