♦ Nankatoavin'ireo Solombam-bahoka teny Tsimbazaza androany, ny andininy sivy sy toko iray, nitondran'ny Antenimieran-doholona fanovana, tao anatin'ilay fehezan-dalana hifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Antoky ny fahombiazana ara-toekarena eo anivon'ny firenena iray, ny famokarana sy ny fanjifana ny vokatra vita eo an-toerana, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara... ♦ Voasaringotra tamin''ilay raharaha fitsaram-bahoaka tao Lalaza, na Vohibato Fianarantsoa, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'io Distrika io...
♦ 7 Jona : andro iraisam-pirenena ho an'ny fiantohana ara-pahasalaman'ny sakafo. "Ny fenitra ho an'ny sakafo, mamelona ny aina", no loha-hevitra ho entintsika manamarika izany anio... ♦ Ho fantatra amin'ny kongresy nasiônaly ny anaran'izay ho kandidan'ny antoko Tiako i Madagasikara, amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ity taona ity... ♦ Hivoaka amin'ny talata 13 jona izao ny didim-pitsarana amin'ireo raharaha hanenjehana an'Andriamatoa Lôla Rasoamaharo, tompon'ny orinasa "La Gazette de la Grande Île"... ♦ Nahitana sisin-taolana maro tao amin'ny faritry ny tanin'ny miaramila any Uruguay, tao avaratr'i Montevideo, omaly...
♦ Ny fanamafisana ny Katesizy ho an'ny Fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitàna hafatra no votoatin'ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo, natao tety amin'ny radio Don Bosco, omaly... ♦ Ny tsy hisian'ny fihoaram-pefy sy hanajana ny lalàna no tanjon'ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, araka ny fampahafantarana ny momba azy io, omaly... ♦ Lany tsy nisy nitsipaka teny amin'ny antenimieram-pirenena, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa Kôperativa... ♦ Farafahakeliny olona miisa 4 no namoy ny ainy, tany amin'ny ilany andrefana any Haïti, vokatry ny horohoron-tany nitranga omaly...
♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny katesizy ho an'ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra, ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo androany, teto amin'ny Radio Don Bosco Ivato... ♦ Natao hifampitaizana mankany amin'ny tsaratsara kokoa ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, hoy ny solontenan'ny Kômity mpanara-maso ny fampiharana izany. Nampahafantarina androany, izany sata izany...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco