♦ Mbola tsy isan'ireo handray anjara amin'ny fifidianana eto Madagasikara aloha ireo "diaspora" Malagasy. Nambaran'ny CENI fa efa nikatona ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Mbola mitohy ny fikarohana ireo voafonja miisa enina tafatsoaka tao amin'ny fonjan'i Mananjary. Nahetsika avokoa ireo mpitandro ny filaminana hanao ny fikarohana... ♦ Tyy misy afa-tsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany aloha hatramin'izao no mamerina tsikelikely ny vola nindraminy tao amin'ny CNaPS...
♦ Miantso ny fanjakana hamaha ny olan'ny CNaPS, mampikatso ny fadehanan-draharaha tato anatin'ny iray volana, ny Sendikàn'ny Vondron'ny Mpiasa sy ny Mpampiasa. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fitokonana atao... ♦ Hivaha tsy ho ela ny olana mahazo ny mpiantsehatra amin'ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo. Am-piandrasana ny sonia fankatoavana ny fahafahana manafatra katsaka avy any ivelany ny vovonan'ireo mpiantsehatra na ny IPA Madagasacar...
♦ Nanome toromarika ireo lehiben'ny Distrika sy ny Préfet, ny Minisitry ny Atitany, hidina ifotony hanazava ny zava-bitan'ny fitondrana. Fampiasana ny fahefam-panjakana amin'izao mialoha ny fifidianana izao izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Olona 22 no nahiditra am-ponja vonjimaika, noho ilay raharaha fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, tamin'ny fanadinana Bakalôrea farany teo... ♦ Mbola tsy voavaha ny olana ao amin'ny CNaPS, na teo aza ny fehin-kevitra niraisan'ny mpiasa sy ny Minisiteran'ny Asam-panjakana, ny herinandro teo, toy ny Randrana Sendikaly...
♦ Kandidà faharoa efa nilaza ôfisialy ny handraisany anjara amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, izay atolotry ny antoko MMM... ♦ Tsy hitsahatra ny handroso soson-kevitra amin'ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana ny eo anivon'ny Sekoly Katôlika... ♦ Hitohy mandritra ny herinandro ny Oniversite maty eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, araka ny tapaky ny SECES Sampanana Antananarivo androany...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco