♦ Fotodrafitrasa fito no hotokanana na hatomboky ny Filohan'ny Repoblika any atsimo. Natombony tamin'ny fitokanana ny Lalam-pirenena faha-9 izany androany... ♦ Niantso ny vahoaka sy ny mpanao pôlitika hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra, ny Vikera Jeneralin'ny Diôsezin'i Toamasina, nandritra ny Lamesa fanokafana ny JMJ Diôsezy, andiany faha-3 tany Foulpointe... ♦ Natomboka androany ny atrikasa fakan-kevitra, hamolavolana ny pôlitikam-pirenena momba ny tontolon'ny asa lavitry ny loza sy ny aretina, eto Madagasikara...
♦ Misy fiantraikany goavana eo amin'ny fampianaran-janaka any Soanierana Ivongo, ny olan'ny seha-pihariana lavanila. Nankahery ireo ray aman-dreny, ny kandidà ho Filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nitarika tsy fitovian-kevitra tao an-drenivohitr'i Manjakandriana, ny fikitihana ny tsangam-baton'ny 29 marsa 1947... ♦ Olona telo no nampidirina am-ponja vonjy maika, vokatry ny fahafatesan'ny mpianaka tany Betafo, ny alahady teo...
♦ Nisedra olana tsy toy ny tany amin'ny Faritany dimy hafa ny fanapahana amin'ny famerana ny naoty amin'ny fahafahana fanadinana Bakalôrea, ho an'ireo teo amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon'ny antoko MMM, amin'izao fanomanana ny fivoahan'ny lisitra amin'ny fomba ôfisialy izao, hoy ny Fitsarana... ♦ Nametraka fitoriana miisa roa an'i Raïssa Razaivola, ny Lehiben'ny Firaiketan-draharaham-pitsarana Ambaratonga Voalohany eo Anosy sy ny Mpitsara iray eo anivon'ny PAC...
♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco