♦ Miha-manalavitra hatrany ny morontsirak'i Madagasikara ny foiben'ny rivo-doza Freddy. Mbola manan-kery anefa ireo filazàna loza samihafa, noho ny rotsak'orana entiny, hoy ny Météo ny antoandro teo... ♦ Nanaovana be midina androany maraina ny sekoly katôlika iray any Morondava. Noravàna ny mpianatra, norahonana hitondràna OMC na dia tsy nahalala ny fepetra amin'n mbola fiatohan'ny fampianarana aza... ♦ Misokatra ny fandraisana antontan-taratasy hasolo ny toeran'ny Loholona iray, izay banga eny amin'ny Lapa maitson'Anosikely. Anisan'ny anarana efa mandeha mety ho tendrena amin'io toerana io ny Jeneraly Richard Ravalomanana...
♦ Tany amin'ny 157 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivo-doza Freddy tamin'ny 03 ora maraina teo. Mbola ahiana ny rotsak'orana aterany any amin'ny Faritra atsimo andrenan'ny nosy... ♦ Tafakatra 04 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Freddy any atsimo andrefana sy Menabe. Nirodana ny rindrinny Fonjan'i Toliara, saingy efa nisy ny fepetra noraisina, hoy ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Nilamina ny fifandraisana eo amin-dramatoa Christine Razanamahasoa sy i Kaleta. Niala tsiny amin'ny olona voatohintohina tamin'ny teny nataony ity mpanolon-tsainan'ny filoham-pirenena ity, momba ny kabarin'ny FIZAFAFI tany Fianarantsoa...
♦ Tafakatra 04 ny isan'ny olona namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Freddy... ♦ Milamina ny fifandraisana eo amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Christine Razanamahasoa sy ny mpanolon-tsainan'ny Filohan'ny repoblika, Andriamatoa Kaleta fa tsy fifankahazoan-kevitra no nisy teo aloha... ♦ Anatin'ny fanamarihana ny andron'ny vehivavy 8 marsa, maro ny fampirantiana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy, sy ny manodidina ny sehatra hiharian'izy ireo ; isan'izany ny Hetsika VEHIV'Art eny amin'ny zaridaina Andohalo, izay notsidihin'ny vadin'ny filohan'ny repoblika androany...
♦ Nanome baiko ny amin'ny hitsirihana ireo fitaovana ampiasain'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny JIRAMA ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo mba hahafahana manatsara ny fifanarahana arak'asa... ♦ Miaina anaty fahasahiranana noho ny fidàngan'ny vidim-piainana ny ankamaroan'ny malagasy ankehitriny ka zary lasa miandrandra ny fanampiana avy amin'ny fikambanana samihafa... ♦ Nampita ny hafatra ho an'ny Governora vaovao ao Amoron'i Mania ny filohan'ny antenimieram-pirenena mba tsy handairan'ny famendrofendroana... ♦ Maherin'ny 20.000 km2 ny velaran-tany voakasik'ilay horohorontany nahery vaika tany Turquie sy Syrie...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco