• Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana teratany sinoa miisa 3 antsokosoko any Shangai no tra-tehaky ny mpiasan'ny fadi-tseranana tetsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly tolak'andro...
  • Tapitra taorian'ny famoahan'ny SPATREC ny voka-pifidianana vonjimaika ny asan'ny CENI momba ny fifidianana ben'ny tanàna, ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana na ny RALE ankehitriny no asa hiantsorohany...
  • Nahemotra amin'ny volana aogositra 2025 ny lalao fifanitsanana ho an'ny CHampionnat d'Afrique des Nations (Chan 2024) noho ny mbola tsy fahatomombanan'ireo kianja tokony handray ny lalao...
  • Mihatra any Sierra Leone ny fepetra ho an'ny tany anaty hamehana ara-pahasalamana, taorian'ny fahitana ny trangan'aretina MPOX tamina olona miisa 2 tany amin'ity firenena ity ny alatsinainy teo...

  • Mikisaka mianatsimo ilay rivo-doza Dikeledi atsy amin'ny lakandranon'i Mozambika. Tany amin'ny 543 km avaratra somary andrefan'i Morombe no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Ho mafy ny rivotra entiny any amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy...
  • Mahazo rano ny tanimbary any amin'ny lemak'Alaotra. Manararaotra izany ny tantsaha ka ao anatin'ny fanetsana ireo izay mbola tsy nahavita izany. Tsy ho toa ny isan-taona anefa ny voka-bary amin'ity taona ity hoy izy ireo...
  • Manao antso avo amin'ny ministra tompon'anrdaikitra sy ny Bianco hanara-maso ny fitsaràna ny raharaham-pifidianana any aminy ny kandidà ben'ny tanàna ao Antsiranana. Manahy ny fisian'ny trangana kolikoly izy ireo...
  • Miditra amin'ny andro faharoa androany ny fitokonana faobe tarihan'ny mpanohitra atsy Mozambika Toherin'izy ireo hatramin'ny farany ny voka-pifidianana tamin'ny 9 oktobra lasa teo...

  • Naneho hevitra fanindroany momba ny mety ho hetsika an-dalambe ho tarihin'ny mpanohitra ny filohan'ny Antenimieran-doholona omaly. Matikambo fotsiny ny mpanohitra fa tsy misy vahoaka hoy izy...
  • Miombon-kevitra amin'ny hivondronan'ny mpanohitra rehetra indray ny vondrona HPM. Soson-kevitra naroson'izy ireo ny fananganana ny departemanta pôlitika eo anivon'ny fanoherana...
  • Naaton'ny Jirama ny fampiharana delestazy eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Ampy tsara manko ny rano manodina herinaratra any Andekaleka amin'izao...
  • Misy tsirim-panantenana kely ny fampitsaharana eo amin'ny Hamas sy ny Israeliana any Gaza. Misy ny dinika famolavolàna fifanarahana hamaranana ny ady, izay tanterahina any Doha Qatar...

  • Hikisaka mianatsimo atsinanana manomboka anio ny foiben'ny rivo-doza Dikeledi. Handalo ny manodidina ny 200 km miala ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy izy, amin'ny tanjaka rivo-doza mahery vaika...
  • Fitoriana momba ny fifidianana 51 no niakatra fitsaràna teny amin'ny Tribonaly misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Anosy omaly. Anisan'ireny ireo raharaha ifampitorian'ireo sasany ho an'ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo...
  • Miantso fitoniana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena eo am-piandrasana ny vokatra ôfisialy ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina. Tany demôkratika i Madagasikara hoy izy...
  • Niovitrovitra ny tany, tany amin'ny prefektioran'ny Myazaki any amin'ny nosy Kyushu any Japon omaly hariva, nahiana ny nisian'ny Tsunami tany an-toerana...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...