♦ Nijoro alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana. Ministra 17 tamin'ny governemanta teo aloha no naverina amin'ny toerana niadidiany. Governemanta andraisan'ny ankolafin-kery samihafa no najoro hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny repoblika... ♦ Naneho ny heviny omaly ny Ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, teo aloha, Harilala Ramanantsoa fa tsy misy idirany ny findramam-bola nataon'ny orinasa SMDG tamin'ny CNaPs. Nohenoina teny amin'ny Pac 67Ha izy omaly... ♦ Miroso amin'ny fanatanterahana ny dinika misokatra, tsy manavaka sokajin'olona ny firaisa-monim-pirenena, hanombohana izany Analamanga...
♦ Efa mandeha ankehitriny ny famotorana ara-pitsaràna atao amin'ny tompon'andraikitry ny orinasa "Fond Souverain Malagasy" (F.S.M) izay nahitàna fanodikodinam-bolam-panjakàna... ♦ Niakatra teny anivon'ny Tendrom-pitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly teny amin'ny 67Ha (PAC), androany ny ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra teo aloha, Ramanantsoa Harilala... ♦ Nanambara tamin'ny fomba ôfisaly androany ny firaisa-monim-pirenena fa manatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny sokajin'olona rehetra izy ireo, ka manerana ny Faritra miisa 24 no hanatanterahana izany...
♦ Olona mamaly ireo fitakiana natao teny an-kianja no tokony ho eo amin'ny toeran'ny mpanatanteraka hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine, andrasana ny tapak'andro hariva izao moa ireo mpikamban'ny governemanta vaovao... ♦ Nanao fitokonana fanairana tao Vodiala, distrikan'Ambatondrazaka ny maraina teo ireo tantsaha mpamboly ao Ambatondrazaka sy Amparafaravola... ♦ Eny anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany irery ihany no hanaovana ny fangatahana bulletin numéro trois, hosoko ny ankoatra izay hoy ny teo anivon'ny firaketan-draharahan'ny Fitsaràna Anosy...
♦ Ho fantatra anio alarobia faha-25 marsa ireo ministra vaovao handrafitra ny governemantan'ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison... ♦ Nankatoavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny fangatahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena momba ny fanesorana amin'ny toerany solombavambahoaka miisa 5... ♦ Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara hoy ny fiaraha-monim-pirenena, mitaky ny hampitsaharana ny fanafarana vary avy any ivelany ny sendikan'ny tantsaha mpamboly vary...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco