♦ Hampihatrano ny andro eran-tany ho an'ny tanora eto Madagasikara na ny JMJ Mada andiany faha-10 ny diôsezin'Antsirabe. Andalana mihazo an'Antsirabe ireo tanora avy lavitra, isan'izany ny any Mahajanga... ♦ Mpizahan-tany miisa 11 no voasoloky ny agence de voyage maherin'ny 200 tapitrisa Ariary nandritra ny fahatongavany teto Madagasikara tamin'ity volana aogositra ity... Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsaràna izy ireo... ♦ Hisokatra amin'ny faritra hafa, ankohatra ireo faritra any atsimon'ny nosy, anombohana ny fametrahana kavin'omby ny tetik'asa momba izany hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana, Andriamahatola Lezoma Tsiry... ♦ Maherin'ny 1000 ireo olona matin'ny tondra-drano any Pakistan...

♦ Nitombo 15 ny Pretra etp amin'ny diôsezin'Antananarivo, 16 isa ny Diakra. Notanterahana omaly tetsy Soamandrakizay nandritra ny andron'ny Diôsezy ny fanamasinana azy ireo... ♦ Miantso ny mpitondra hiara-hidinika amin'ny alalan'ny fikaonandoham-pirenena ny CRN. Miantso fitoniana ny loholona Ramanambitana Richard... ♦ Baolina kitra : nivoaka nandresy ny Barean'i Madagasikara raha nanafika tatsy Botswana tamin'ny sabotsy teo. Niondrika teo anatrehan'ny malagasy tamin'ny isa tokana iray noho aotra ny ekipam-pirenena Botswané... ♦ Nampanantena hanolotra 30 miliara dôlara hanampiana an'i Afrika ry zareo japoney. Fanambarana nandritra ny fihaonana an-tampon'i Afrika sy Japon andiany faha-8 natao tany Tunis...

♦ Ny haba tokony hiditra amin'ny Ravinala Airports sy ny Aviation civile de Madagascar izao, no ampiasaina hampandeha ny Madagascar Airlines. Atahorana tsy  hanam-bola intsony noho izany ny ACM, toy izany koa ny ADEMA, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Ho fantatra amin'ny talata ho avy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana, nataon'ny INSTAT... ♦ Nilentika ny tsenan'ny fanafarana sy fivarotana fiara eto Madagasikara, noho ny krizy nateraky ny Covid-19. Harenina izany, ka hiverina ny Salon de l'Auto, raha efa 3 taona izay no tsy nisiany... ♦ Nahafatesana olona miisa 4, ankizy ny 2 tamin'ireo, ny daroka baomba nataon'ny tafika etiopiana, tany amin'ny faritanin'i Tigré omaly...

♦ Olona 2 no efa voasambotra amin'ny fikasana hanondrana antsokosoko volamena 17kg mahery tany Dubai, afak'omaly... ♦ Azo tanterahina eto amintsika manomboka izao ny fitiliana ny tsimok'aretina mahatonga ny Fièvre de la Vallé du Rift. Nomena ny fitaovana ahafahana manao izany ny Laboratoram-pirenena fitiliana ny aretin'ny biby... ♦ Tsy manamarina ny filazàna fisiana fivoahana laza adina, mialoha ny fanadinana ho mpianatra ho mpitsara mihitsy, ilay hosoka tratra afak'omaly hoy ny tale jeneralin'ny ENMG... ♦ Taranja baolina lavalava : Herinandro mialoha ny tokony hiaingan'ny Maki Vehivavy hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Afrika-atsimo, tsy mbola tomombana ny vola ho enti-manana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...