♦ Tsy mankasitraka ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena ny antoko Lia Raiky... ♦ Nijerena ny olana sy ny paikady hampivoarana ny asa tanana no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doham-pirenena momba izany, natao tetsy Ivato, androany... ♦ Tafapetraka ny birao vaovaon'ny Antenimieran'ny Varotra eto Antananarivo...
♦ Efa maty alina ihany, ary tsy nahakasika ny valan-java-boahary, ny firehetrana nitranga tao Isalo... ♦ Nahita ny tsy fahita ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, tao anatin'ny roa taona. Manambana ny hampikatso ny fampianarana ny SECES... ♦ Efa nahatratra dimy hetsy, ireo nahavita ny fitsarana miaramila manerana ny nosy. Hofaranana eto Antananarivo amin'ny herinandro ny fotoam-pitsarana miaramila amin'ity taona ity...
♦ Nanamarina ny fahatratrarana fiara lehibe iray nitondra hazo voamboana tany Vohitraivo Amparafaravola, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Voatonona tamin'ity tranga ity ny anaran'ny olom-boafidy iray akaiky ny fitondrana... ♦ Andro faharoa amin'ny fitokonan'ny mpiraki-draharaha manerana ny nosy ny anio. Niveri-maina avokoa ireo nanan-draharaha teny amin'ny fitsarana Anosy omaly... ♦ Efa tafakatra ho 3000 Ar ny rano iray bidon any atsimon'ny nosy. Ahiana hiverina indray ny kere, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy any Ambovombe...
♦ Nampikatso ny raharaha eny anivon'ny fitsarana, noho ny fitokonany androany, ireo mpiraki-draharaha manerana ny nosy. Niveri-maina ireo manan-draharaha, naverina am-ponja ireo voafonja tokony hotsaraina, ho an'ny teny amin'ny Fitsarana Anosy... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any atsimon'ny nosy. Ahiana ho mafy noho ny hatramin'izay ny zava-misy, efa vidiana 3000 Ar ny rano iray bidon, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Ambovombe Androy... ♦ Olona 5 no maty, 13 naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo anelanelan'Irondro sy Manakara androany vao maraimbe...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco