♦ Nitombo 15 ny Pretra etp amin'ny diôsezin'Antananarivo, 16 isa ny Diakra. Notanterahana omaly tetsy Soamandrakizay nandritra ny andron'ny Diôsezy ny fanamasinana azy ireo... ♦ Miantso ny mpitondra hiara-hidinika amin'ny alalan'ny fikaonandoham-pirenena ny CRN. Miantso fitoniana ny loholona Ramanambitana Richard... ♦ Baolina kitra : nivoaka nandresy ny Barean'i Madagasikara raha nanafika tatsy Botswana tamin'ny sabotsy teo. Niondrika teo anatrehan'ny malagasy tamin'ny isa tokana iray noho aotra ny ekipam-pirenena Botswané... ♦ Nampanantena hanolotra 30 miliara dôlara hanampiana an'i Afrika ry zareo japoney. Fanambarana nandritra ny fihaonana an-tampon'i Afrika sy Japon andiany faha-8 natao tany Tunis...
♦ Ny haba tokony hiditra amin'ny Ravinala Airports sy ny Aviation civile de Madagascar izao, no ampiasaina hampandeha ny Madagascar Airlines. Atahorana tsy hanam-bola intsony noho izany ny ACM, toy izany koa ny ADEMA, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Ho fantatra amin'ny talata ho avy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana, nataon'ny INSTAT... ♦ Nilentika ny tsenan'ny fanafarana sy fivarotana fiara eto Madagasikara, noho ny krizy nateraky ny Covid-19. Harenina izany, ka hiverina ny Salon de l'Auto, raha efa 3 taona izay no tsy nisiany... ♦ Nahafatesana olona miisa 4, ankizy ny 2 tamin'ireo, ny daroka baomba nataon'ny tafika etiopiana, tany amin'ny faritanin'i Tigré omaly...
♦ Olona 2 no efa voasambotra amin'ny fikasana hanondrana antsokosoko volamena 17kg mahery tany Dubai, afak'omaly... ♦ Azo tanterahina eto amintsika manomboka izao ny fitiliana ny tsimok'aretina mahatonga ny Fièvre de la Vallé du Rift. Nomena ny fitaovana ahafahana manao izany ny Laboratoram-pirenena fitiliana ny aretin'ny biby... ♦ Tsy manamarina ny filazàna fisiana fivoahana laza adina, mialoha ny fanadinana ho mpianatra ho mpitsara mihitsy, ilay hosoka tratra afak'omaly hoy ny tale jeneralin'ny ENMG... ♦ Taranja baolina lavalava : Herinandro mialoha ny tokony hiaingan'ny Maki Vehivavy hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Afrika-atsimo, tsy mbola tomombana ny vola ho enti-manana...
♦ Volamena 17 kilao sy 390 grama saika hahondrana antsokosoko teny Dubai no tra-tehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Homarihana amin'ny alahady 28 aogositra izao, eny Somandrakizay, ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hankalazana ihany koa ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra... ♦ Mbola tsy tomombana ihany, herinandro mialoha ny fiaingana, ny vola handehanan'ny Maki vehivavy hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco