♦ Nohenoin'ny fitsarana momba ilay raharaha Apollo 21 androany, ilay mpanakanto Sareraka sy ireo Zandary dimy ao anatin'ny GSIS, samy voarohirohy amin'ity raharaha ity... ♦ Tsy nahitana 'doublons" ny antotan-kevitra tao amin'ny CENI, hoy ny filoha vaovaon'ity Vaomieram-pirenena ity androany... ♦ Vita, ary notokanana ny tapany voalohany amin'ny fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina. Hampidina ny vidin'ny entana ilain'ny Malagasy ny fahavitan'io fotodrafitr'asa io, hoy ny Filoham-pirenena...
♦ Raharaham-pitsaràna an'ireo olona voarohirohy tamin'ny fikasana hifofo ny ain'ny olom-panjakàna ambony tamin'ny volana jolay, natomboka tamin'ny fihainoana an'i Marc Philippe, frantsay, ny omaly, izay voapanga ho nanomana kômandô... ♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Any Fianarantsoano hanaovana ny lanonana ôfisialy... ♦ Nahavita dingana goavana amin'ny ady sisika ny fiaraha-monina sivily eto Madagasikara. Nihatsara ny toerana misy azy ireo aty amin'ny faritra Afrika Atsimo-Atsinanana. Famatsim-bola no mbola lesoka ho an'ny malagasy...
♦ Tontosa androany teny Alarobia ny famindram-pahefana teo amin'ny filohan'ny CENI teo aloha sy ny filoha vaovao, mandimby azy... ♦ Mpisehatra amin'ny fiompiana 300 mahery manerana ny nosy no mandray anjara amin'ilay dinik'asam-pirenena momba ny fiompiana etsy amin'ny CCI Ivato. Fihaonana mandritra ny telo andro manomboka androany... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana ny 4 tamin'ireo dahalo dimy nanafika sy nahafaty ny mpiasan'ny fikambanana tsy miankina iray tany amin'ny kaominina tranomaro Amboasary-atsimo...
♦ Niatrika ny mpitsara androany, ilay teratany frantsay François Marc Philippe, voarohirohy amin'ny rahaharaha "Apollo 21"... ♦ Nihatsara ny fivoaran'ny fiaraha-monim-pirenena teto amintsika ho an'ny taona 2020, araka ny tatitra navoaka androany... ♦ Nitondra ny hetahetan'ny tantsaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ireo mpianatry ny sekoly ambony FORMAGRI, niofana ho mpitarika...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco