♦ Hafainganina ny asa rehetra fampandrosoana ny tanan-dehibe, ho an'ny tontolo tsy misy entona "carbone" manimba ny tontolo iainana, izay no lohahevitry ny andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana, anio... ♦ Ho atao toeram-pitsangatsanganana amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny torapasik'i Libanona-Tolagnaro, natomboka tamin'ny sabotsy ny asa... ♦ Tokandrano 75 000 avy amin'ny distrika 13 no misitraka ny Vatsin'ankohonana izay tanterahan'ny FID...

♦ Natomboka tao amin'ny Faritra Anosy ny tetik'asa hanaraha-maso ny omby eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fametrahana kavina elektronika... ♦ Miandry ny fanombohan'ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an'Andranofisaka sy Ambatoboeny ny mponina hoy ny Ben'ny Tanàna Rakotonandrasana Valérien... ♦ Nomena lalana handray ireo mpianatra afaka baka farany teo ny Oniversite tsirairay, miankina amin'ny sampam-pianarana ny hamerana ny isan'ireo ho raisina...

♦ Hijoro mialohan'ny taona 2022 ny antokon-draharaha hitantana ny famerenana ireo fananana azo avy  amin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI, sampana anatin'ny rafitra iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Navoitra ny filohan'ny repoblika amin'ny fitsidihana ataony any amin'ny Faritra atsimo ny fanamby hametraka vahaolana maharitra mikasika ny rano fisotro madio... ♦ Hivoaka amin'ity volana oktobra ity ny karaman'ny mpandraharahan'ny Oniversite...

♦ Hatomboka amin'ity taona ity ny tetik'asa lehibe hitarihana rano amin'nu pipeline goavana, miala any Efao, mandalo any Amboasary Atsimo hatrany Ambovombe. Hamaha ny olan'ny rano izay nahazo ny mponina tany atsimo hatramin'izay... ♦ Ankizy maherin'ny roa alina sy iray hetsy isan-taona any amin'ny faritra Androy sy Anosy manomboka izao no hisitraka fanampin-tsakafo mitondra hery sy tanjaka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...