♦ Nisy nikasa hamono ny filohan'ny Repôblika ankehitriny. Efa nisy ny voasambotra. Nanambara ny vaovao alina ny tonia mpampanoa lalàna amin'ny fitsaràna ambony eto Antananarivo Razafiarivony Berthine... ♦ Nihaona tamin'ny filoha nasiônalin'ny Antoko TIM Marc Ravalomanana ny mpanolo-tsaina voalohan'ny masoivoho amerikana eto amintsika... ♦ NIdina tany amiin'ny Fokontany Antsahalava Kaominina Tsarazaza-Fandriana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hampanara-dalàna ny fitrandrahana volamena ao Sahatorendrika... 

♦Namatsy vola an'i Madagasikara 490 000 000 Dolara hamatsiana tetik'asa lehibe miisa efatra ny Banky Iraisam-pirenena. Vita sonia omaly teny Iavoloha ny fifanarahana... ♦ Hiaka-dapa indray ny mpikamban'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny Parlemantera manomboka ny 03 Aogositra ho avy izao... ♦ Hifarana anio ny fanadinana BEPC ho an'ireo mpiadina nisafidy ny sokajy "A", raha toa ka efa vita omaly ny sokajy "B"...

♦ Nifarana ny tolakandro teo ny fanadinam-panjakana BEPC, ho an'ireo mpiadina nisafidy ny sokajy B... ♦ Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemantera, manomboka ny 3 aogositra ho avy izao, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra androany... ♦ Tsy ministra mahay tsianjery ny velirano 13, fa minisitra manana paikady hanatrarana ny vinan'ny Filoha, no ilaina, hoy ny solombavam-bahoaka IRD...

♦ Tokony sokafan'ny Fanjakàna amin'izay ny orinasa nakatona noho ny antony samihafa hoy Profesora Ralison Roger mpahay toekarena sy fitantanana. Ny ahafahan'ny olona misitrak'asa no tanjona... ♦ Tsy mbola tara ny fitarainana ataon'ireo vovonam-pikambanan'ny tantsaha manao antso avo mitaky ny tsy hankatoavana ny lalàna momba ny fananan-tany nolanian'ny solombabambahoaka ny 30 jona teo ho ny MDB... ♦ Nihazo an'i Japon handray anjara amin'ny lalao olympiques hanomboka ny zoma izao ny atleta malagasy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...