♦ Mbola ny Faritra Analamanga no ivon'ny valanaretina Covid eto Madagasikara. Ny 149 amin'ny tranga vaovao 224, mitondra ny tsimokaretina, dia teto Analamanga avokoa araka ny tatitra androany... ♦ Mikarakara atrik'asa handinihana ny rafitra ho famokarana sakafo eto Madagasikara ny FAO sy ny CIRAD...

♦ Mivory voalohany androany ireo mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Andrasana ny fifidianan'izy ireo izay ho foloha vaovaon'ny HCC... ♦ Nodimandry ny solombavambahoaka an'i Manakara Giscar Andriano, araka ny fampitam-baovaon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Maniry hatao vaksiny fanefitry ny coronavirus ny 76%-n'ny Malagasy, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International... 

♦ Nitokona tamin'ny omaly ireo mpitatitra teto Antananarivo sy ny tany amin'ny faritra sasany. Misy kolikoly ny mbola fahafahan'ny sasany miditra sy mivoaka ny faritra... ♦ Fifidianana Ben'ny tanàna Nosy-be : Voahosihosy ny fahefàna famoahana didiy momba ny fifidianana, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Olona 6 indray no matin'ny Covid teto Madagasikara omaly... 

♦ Voahosihosy ny didy navoakan'ny fahefana faratampony amin'ny fifidianana, manoloana ny fampiatoana ny fanatanterahana ny didy navoakan'ny Filankevi-panjakana ny 30 marsa lasa teo, hoy ny KMF/CNOE Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Mihoatra ny 500 ireo lavo tsy nahatohitra ny Coronavirus, teto Madagasikara.Mitombo isa hatrany ihany koa ireo marary manaraka fitsaboana...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...