♦ Mbola tsy voafaritra na ny lisi-pifidianana nofaranana ny 15 mey teo, na ny lisi-pifidianana teo aloha no hampiasaina amin'ireo fifidianana kaominaly haverina sy ireo kaominina mboa tsy nahavita izany, araka ny nambaran'ny Filoha lefitry ny CENI avy eto amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy marina ny vaovao navoakan'ny France 24 izay milaza fa nahatratra telopolo ireo olona matin'ny kere any amin'ny Faritra Androy, hoy ny Governora Soja Lahimaro...
♦ Mbola mitàna ny laharana fahaefatra amin'ireo aretina voasokajy ho mahafaty indrindra eny anivon'ny hopitaly ny tazomoka eto Madagasikara... ♦ Ho vita amin'ny herinandro ambony ny fanitarana ny toby famokarana rano eny Mandroseza... ♦ Soso-kevitry ny ministry ny atitany ny hanaovana ny fifanatrehan'ny mpikamban'ny governemanta sy ny solombavambahoaka amin'ny alalan'ny viséo-conférence...
♦ Natomboka omaly ny fanaovanam-baksiny Covid-19 ho an'ny andian-taona manaraka afaka misitraka izany,ato amin'ny faritra Analamanga, dia ireo maherin'ny 60 taona... ♦ Hofidian'ireo solombavambahoaka amin'ny 26 Mey izao ny filohan'ny vaomiera miandraikitra ny fandinihana ireo fangatahana fampiatoana ny fitanana am-ponja ny solombavambahoaka... ♦ Judo Afrikana : Andriamatoa Siteny Andrianasoloniaiko no lany ho filohan'ny UAJ...
♦ Natomboka androany ny andian-taona manaraka afaka misitraka ny vakisinin'ny Covid-19 eto amin'ny Faritra Analamanga, dia ireo zokiolona maherin'ny 60 taona... ♦ Ny 94,66%-n'ireo olona mararin'ny Covid-19 no efa sitrana teto Madagasikara. Ny 1,73% kosa no namoy ny ainy, araka ny antontan'isa nivoaka androany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco