♦ Niampy dimy indray ireo matin'ny Coronavirus eto amintsika, dimy amby zato ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany, momba ny fivoaran'ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso omaly, nandritra ny fitokonan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Mpianatra telo no voasambotra teny Vontovorona...

♦ Mpiadina roa no tratra nanao hosoka nandritra ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Samy nihetsika avokoa androany ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona sy ny mpianatry ny Fakiolten'ny Siansa teny Ankatso... ♦ Iray amin'ireo mpanao gazety nanatitra antotataratasy hahazoana misitraka ilay karatra maha matianina kosa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo...

♦ Mila mandray andraikitra haingana ny fitondram-panjakàna amin'izao firongatry ny valan'aretina entin'ny coronavirus izao hoy ny SECES. Mpampianatra mpikaroka miisa 6, voalaza fa noho ny covid-19 nahazo azy no lavo... ♦ Nizara fanomezana tany amin'ny Fonjan'Ambatolampy sy tetsy amin'ny toby fanarenana ny ankizy mania etsy Anjanamasina ny fiombonan'ny Vehivavy ao anatin'ny FFVA, diôsezy Antananarivo... ♦ Miatrika fitsaràna any Birmanie indray androany Ramatoa Aung San Suu Kyi...

♦ Miverina mirongatra indray ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eninjato mahery no voatily tamin'ny herinandro lasa teo,  16 kosa ireo marary lavon'ny aretina... ♦ Nankahery ny Malagasy tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana omaly, ireo Raiamandrenim-piangonana ao amin'ny FFKM, amin'izao fotoana hiomanana amin'ny Paka izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...