♦ Niampy 42 indray ireo mararin'ny Coronavirus eto amintsika, 21 kosa anefa no sitrana... ♦ Nigadona teny Ivato omaly hariva ny fiaramanidina nitondra ireo vehivavy Malagasy 176 nisasa tany Koweit... ♦ Nanangana kitapom-bola iombonana na Basket Fund ny Vondron'ny mapandraharaha malagay na ny GEM, hanampiana ireo orinasa tra-pahasahiranana...

♦ Mahavelom-panantenana fa niampy 21 ireo olona sitrana soa ama-tsara, nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Tonga teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra ireo vehivavy Malagasy miisa 176, nampodiana, niasa tany Koweit... ♦ Havaozina hifanaraka amin'ny zva-misy eto amin'ny firenena ilay Plan Emergence de Madagascar efa teo aloha hoy Andriamatoa Holijaona Raboana...

♦ Folo no isan'ny olona nametraka ny antontan-taratasiny eny amin'ny Antenimeiram-pirenena hifaninana amin'izay hisolo ny toeran'Andriamatoa Thierry Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI teo aloha... ♦ Vonona handray anjara amin'ny fanadihadiana mikasika ny fitantanana ireo fanampiana azon'i Madagasikara hiadiana amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo Loholona...

♦ "Mba ho tantarainao amin'ny zanakao aman-jafinao... lasa tantara ny fiainana", izay no lohahevitry ny Andro eran-tany faha-54 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona nankalazaina omaly teto Madagasikara... ♦ Iray no maty, 09 marary mafy, 21 sitrana soa aman-tsara. Nisy 26 indray ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, ka ny 11 tany Toamasina, 16 teto Antananarivo...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...