♦ Havoaka anio eny amin'ny foiben'ny CENI eny Alarobia ny vokatra vonjimaika feno tamin'ny fifidianana Loholona, voalaza fa namerina nanisa vato ity vaomiera ity, mialohan'izao famoahana vokatra vonjimaika izao... ♦ Hohamafisina ny fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ara-pahasalamana ho fiarovana amin'ny Covid-19 amin'izao ankatoky ny fety izao hoy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety... ♦ Tsy misy ahiana ny fahitàna vaksiny fanefitr'ilay tsimokaretina coronavirus amin'ny endriny vaovao tany Grande Bretagne, hoy ny laboratoara BionTech, izay nahita vaksiny mahatohitra ny covid-19...
♦ Ho hentitra amin'ireo mpamily mihoa-pefy amin'izao fetin'ny faran'ny taona izao ny eo anivon'ny ATT ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga, hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso momba ny fepetra ara-pahasalamana... ♦ Hiverina amin'ny taona 2021 indray ny fifaninana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha eo anivon'ny sekoly ambony ENMG ao Tsaralalana, rehefa nihato nandritra ny 2 taona dia ny taona 2019 sy ny 2020... ♦ Hintantana ny vondrona eraopeana mandritra ny enim-bolana manomboka ny volana janoary izao i Portugal...
♦ Nafohezina ho 20 andro ihany ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsaràna amin'ity. Hanomboka rahampitso moa izany fiatoan'ny raharaham-pitsaràna izany manerana ny nosy... ♦ Nitondra fanazavàna ny ministry ny fanabeazam-pirenena, momba ny fisian'ireo kit scolaire nisy nanary tanaty dabam-pako tao an-drenivohitra... ♦ Tsy azo amidy eny an-dalambe intsony ireo "masque chirurgicale" fampiasa amin'ny fitsaboana, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, hisy fepetra ho raisina mifandraika amin'izany...
♦ Tsy hiasa amin'ny alakamisy izao ireo Paramed miasa amin'ny hôpitalim-panjakana manerana ny nosy, ho fitakiana ny "indemnité de réquisition" nandritra ny fotoanan'ny hamehana ara-pahasalamana teo... ♦ Hanomboka amin'izao fety izao ny hetsika manokana hotanterahin'ny tafika malagasy hamerenana ny fandriam-pahalemana manerana ny nosy. Miaramila 800 efa nofanina manokana no hahetsika... ♦ Mitoka-monina tanteraka ankehitriny i Grande Bretagne, taorian'ny nahitàna ilay Coronavirus "souche" vaovao, izay mora mifindra...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco