• Andrasana amin'ity herinandro ity ny hampidinan'ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fifandraisan-davitra ny saran'ny Internet... • Maherin'ny 5 alina ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, nefa tsy voatily, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Magnana Mounir androany... • Tsy manana olana eo amin'ny asa ny 80 %-n'ireo mpiofana nivoaka avy ao amin'ny sekolim-pirenena ENEAM...

♦ Anatin'ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mahazo ny tanora ny tetik'asa HAY ZARA hatramin'ny 10 desambra ho avy izao. Lohahevitra voizina "Ny herisetra ara-nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy"... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famaritana sy ny fitanisana ireo zava-misy eo ambonin'ny vohon-tany sy ny fifandraisany amin'ireo antotan-kevitra hafa momba ny mponina sy ny tontolo iainana manodidina ny fananana tahirin-kevitra ara-jeografia. Nisy ny atrikasa nandinihana ny momba izany... ♦ Nosatarina omaly ny fanadiovana faobe ny farihin'Antsimoparihy ao Ambohidratrimo...

♦ Najanon'ny Filankevi-pilaminan'ny Vondrona Afrikana (CPS) ny sazy mampitoka-monina an'i Madagasikara eo anivon'ny Kaontinanta sy iraisam-pirenena. Miantso ny mpikambana ao amin'ny vondrona Afrikanina sy mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena hanohy ny fanohanana an'i Madagasikara isan'izany ny lafiny famatsiam-bola... ♦ Notanterahana ny sabotsy teo ny androm-paritra fanaovana vakisiny faobe ho an'ny alika sy ny saka iadiana amin'ny aretina haromontana ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Mila jerena vahaolana haingana ny resaka famatsiana herinaratra mba tsy ho io indray no fototra hampiongana ny fitondrana hoy ny TMP...

♦ Mitarazoka ny fiasan'ny fitondràna amin'ny fikarakaràna ny fikaonandoham-pirenena. Taraiky loatra raha afaka enim-bolana izao vao hotanterahina izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Hotohizana ny fanadihadiana momba ny raharaha Ambohimalaza. Tsy hijanona fotsiny amin'ireo olona 4 voatazona am-ponja ny raharaha fa hotsaraina ireo "Paoa sôsy" hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly... ♦ Misy valan'aretina mifindra haingana be any amin'ny Disitrikan'i Vohipeno amin'izao. Sokajian'ny mpitsabo ho nendram-boalavo izy io, na ambaran'ny any an-toerana hoe "masakalina"... ♦ Maherin'ny 200 ireo olona namoy ny ainy noho ny tondra-drano any Indonésie...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...